<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tompo o! Tsy takatry ny saiko FFPM451</title>
<lyrics>[V1]
 Tompo ô ! tsy takatry ny saiko
 Ny fitiavanao tsy nohajaiko ;
 Kanjo io no hany antenaiko
 Mba hamonjy ahy izao.
 (Hamonjy izao)
 Tompo ô, voababonao
 Izany foko ho Anao
 Mamy re !
 Izany fitiavanao, ry Jeso ô !
 ( Feo II )
 Tompo ô ! dia resinao ny
 foko ilay nandà,
 Voababonao tokoa tokoa ;
 Ka nasandratrao ho Zanak'
 Andriamanitra,
 Hotarihinao an-danitra.
 Mamy dia mamy re, tsaroan'
 ny aiko izao
 Izany fitiavanao, ry Jeso ô !

[V2]
 Ny fandavan-tenanao tsaroako
 Fa fandavan-tena nahitako
 Ny fitiavanao izay inoako
 Fa mambomba ahy izao.
 (Mambomba izao)
 Tompo ô, ..sns.

[V3]
 Ry Jesosy, tsy mba misy haiko
 Afa-tsy manolotra ny aiko
 Eo an-tananao izay
 andrandraiko
 Hampijoro ahy izao
 (Hijoro izao)
 Tompo ô, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>451</hymn_number>
</song>